Voaloboka

Voaloboka

Masaka ny voaloboka, sary nopihana raha mbola tsy notazana ilay voankazo

février 15, 2013 at 2:37   Poster un commentaire

Fa inona no ao ambadiky ny fanambarana miaramila?

Tsorina aloha fa nantenain-kanirina ny tafika vao nampivandravandra. Eo am-piketrehana ny hanoratana atao hitam-bahoaka ny hafatro na fiangaviako amin’ny tafika aho no nitsahatra indray rehefa nahita tamin’ny gazety fa nisy fivoriana miafina nataon’ny manam-pahefana ambony ao amin’ny miaramila. Mahafantatra tsara aho fa ry zareo no tena manam-pahefana eto amin’ity tanàna ity fa tsy izay milaza ho mpitondra amin’izao fotoana izao. Nihevitra ihany aho fa manana fieritreretana afaka ny mamakafaka ny zavamisy amin’izao fotoana izao ireo ao amin’ny tafika ireo. Nihevitra aho fa tsapan’izy ireo ny fitarazohan’ny raharaha ka mba handray ny andraikiny amin’ny famahana araka izay haingana izao fiziriziriana misy izao. Nitsimbadika tanteraka anefa ny raharaha rehefa nanao ny fanambarany ny Lehiben’ny Etamazaoron’ny Tafika Malagasy ny alarobia 25 novambra 2009. Nanipy ny baolina tamin’ny mpiandraikitra ny fitandroana ny fiambenana ao amin’ny prezidansa sy ny primatiora ry zareo, izany hoe amin’ny Lt-Kln isany Lylison René de Roland sy Charles [Martel?] Randrianasoavina no nanankinana manontolo ny fanendrena izay ho mpiambina avy ao amin’ny tafika ny olom-panjakana Malagasy.

Misy hafetsena lalina dia lalina hanomezana vahana manokana an’i Andry ao anatin’izany rehetra izany, satria manahy ny mpiambina nalaina hiambina nefa tsy nahazo alalana avy amin’ireo olona efa nanana ny lazany tamin’ity taona 2009 ity fandrao voaroaka amin’ny asany ka ny hany fahendrena dia ny mody any an-toby miaraka amin’ny fitaovany. Manana ny fomba fijeriny ny miaramila fa dia mahavariana loatra raha karazandrazan’ny manampy olana hafa indray no ataon-dry zareo fa tsy mitady vahaolana hampanekena ny rehetra tamin’izay tapaka teo amin’ny mpanao politika nifandamina hiara-mitantana ity tetezamita ity. Mety ho eo ny fanahiana fandrao ho tonga amin’ny tena ihany ny sazy noho ny fanonagam-panjakana izay natao, sady ny hita tamin’ny sary rahateo dia tena ireo nandray anajara mivantana sy lohalaharana tamin’ny fanonganam-panjakana mihitsy no tazamaso nanao ny fanambarana. Efa nanao ny safidiny aloha izany ry zalahy ireto nametraka ny "fanendrena" hiambina ny olom-panjakana amin’ny "mazandoha" amin’ny tafika. Rariny tokoa raha tokana hatrany ny fibaikoana ao amin’ny tafika nefa ny fijeriko azy dia diso lalana tanteraka ry zalahy. Nanampy tosika tamin’ny fiziriziriana sy ny tsy fatahorana handrava ny asan’olona an’hetsiny miankina amin’ny AGOA izay Amerikana mba handraana tanteraka ny toe-karena malagasy hiankin-doha tanteraka amin’i La Frantsa, indrisy…!

Satria efa ny hany mahazo manao fanambarana amin’ny alalan’ny tafika malagasy no nanambara fa i Andry no filoha faratampon’ny tafika sy namindra ny fanendrena izay hiambina ny olona ao amin’ny andrim-panjakana rehetra amin’i Charles sy Lylison dia enga anie tsy hisy fanambarana hafa hivoaka tampoka avy amin’ny olona mety ho afaka manao ny fanambarany ihany koa sady manana ny fahefana hanao izany. Enga anie izany hampiravona ny olana rehetra misy amin’izao fotoana izao fa raha tsy izany kosa no hitranga dia tokony hizaka ny vokatr’ireny fanambarana nataony ireny ny tafika malagasy. Koa dia samia mizaka avokoa fa izahay efa am-bolana no mahatanty ny zavamisy ankehitriny matoa mahasahy milaza ny hevitray hatrany ary tsy menatra amin’izany sy amin’ny tantara, ary enga anie ho tsara kokoa noho ny taloha ny fankalazana ny krismasy sy ny taombaovao amin’ity taona ity. Farany: mahay mihitsy ny mpanao tetipanorona amin-dry zalahy ireo matoa nahatafita hafatra nialoha ny hisiana fanambarana fampitandremana ireo mpitantana ny ankolafy mifampiziriziry. Fa izahay kosa mbola mino ilay tarigetra manao hoe :"Ny hery tsy mahaleo ny fanahy!"

jentilisa, 26 novambra 2009 amin’ny 00:02

novembre 26, 2009 at 12:14   Poster un commentaire

Tolona endrika hafa indray atao: manomana sy mitaky fifidianana haingana

Raha mbola variana amin’ny fanekena na tsia an’i Andry Rajoelina ho filohan’ny tetezamita ny mpanohana an-dRavalomanana Marc dia heveriko kosa fa tokony hiompana amin’ny fifidianana amin’izay ny tolona atrehina amin’izao fotoana izao.

Misy sahady manko ny mieritreritra fa hirarakompana ny fanampian’i Lafrantsa an’ilay zalahy io ka mety hahagaga ny olona izany, ary mety haharesy lahatra azy hifidy azy indray. Tsy hipetrapetraka fotsiny amin’izao akory i Lafrantsa raha mahatafapetraka ny olony fa tsy maintsy hikendry ny
hitoetra maharitra eto. Noho izany, tsy maintsy ataony bobaka ny fanampiana ara-tsakafo ary mety hahavita managana drafitr’asa maro dia maro tampoka aza izy (hahavita lalana).

Hafatra mipetraka ho an’ny mpanara-maso sahady manko ny fitsenana ny praiminisitra nataon’ireo masoivoho sasantsasany tarihin’ny masoivoho Amarikana. Nisaina tokoa noho izany i Monja Roindefo raha nitady ny hanafainganana ny fifidianana ho filoham-pirenena. Araka ny mahaela ny tetezamita manko no mety hahamaro ny fanampian’i Lafrantsa, izany hoe hahavitan’i Andry Rajoelina zavatra ho fanampena-maso ny vahoaka dia ho roboka amin’ny rom-boanemba (ron-tsaramaso) ny sarambambe hoe mahavita zavatra hay ilay ranamana ity… Ny tetik’i Lafrantsa (sy i Etazonia) ao ambadika anefa dia hoe rehefa lany ny olon-tsika dia tsihifintsika tsy misy ahiahy  amin’izay ny harenan’i Madagasikara.

Dia apetraho sahady ary ny toriteny hoe hivarotra ny fizokiana toy izay nataon’i Esao tamin’ny voanemba ve ianao sa mitady ilay fizokiana antsoina hoe fahaleovantena ara-toe-karena? Rehefa hotrandrahana tokoa ve ny solika dia ho lasa tany miady amin’izay i Madagasikara?

octobre 10, 2009 at 11:36   Poster un commentaire


Lahatsoratra farany

Commentaires récents


Suivre

Recevez les nouvelles publications par mail.